Philemon

1Paoly, voafonja an’i Jesosy Kristy, sy ny rahalahy Timoty ho an’i Filemona, namana malalanay sy mpiara-miasa aminay, 2ary ho an’i Apia anabavinay, sy Arkipo miaramila namanay, ary ho an’ny fiangonana izay miangona ao an-tranonao. 3Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

4Misaotra ny Andriamanitro hatrany aho. 5Manonona anao aho amin’ny fivavahako. Efa naheno ny amin’ny fitiavana sy ny finoana izay anananao ao amin’i Jesosy Tompo ary ho an’ireo mpino rehetra aho. 6Mivavaka aho mba hahatonga ny fiombonana amin’ny finoanao hahomby amin’ny fahalalana ny zavatra tsara rehetra izay eo amintsika ao amin’i Kristy. 7Fa nanana fifaliana sy fiononana lehibe aho nohon’ny fitiavanao, satria ny fon’ireo mpino dia novelombelomina tamin’ny alalanao, ry rahalahy.

8Noho izany, na dia manana fahasahiana rehetra ao amin’i Kristy aza aho handidy anao mba hanao izay tokony hataonao, 9nefa nohon’ny fitiavana, dia miantso anao kosa aho - izaho, Paoly, lehilahy antitra, ary ankehitriny gadra ho an’i Jesosy Kristy.

10Mangataka anao aho ny amin’ny zanako Onesimosy, izay naterako tamin’ny fatorako. 11Fa izy dia tsy nahasoa anao teo aloha, fa ankehitriny izy dia mahasoa anao sy izaho. 12Nalefako niverina ho any aminao izy, izy ilay tiako tokoa. 13Maniry ny hitazona azy hiaraka amiko aho, mba hahafahany manompo ahy ho anao, raha mbola voafatotra nohon’ny filazantsara aho.

14Nefa tsy te hanao na inona na inona raha tsy misy ny fanekenao aho. Tsy tiako ho an-katerena ny asa soa ataonao fa an-tsitrapo. 15Angamba noho izany no nisarahany taminao nandritra ny fotoana fohy, mba hanananao azy mandrakizay. 16Tsy ho andevo intsony izy, fa tsara mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala. Izy no malala indrindra amiko, ary mihoatra lavitra ho anao, na ao amin’ny nofo na ao amin’ny Tompo.

17Koa raha manana ahy ho mpiara-miasa ianao, dia raiso toa ahy izy. 18Raha manao ny tsy mety izy na mitrosa na inona na inona aminao, dia ataovy ho ahy izany. Izaho, Paoly, manoratra izao amin’ny tanako: 19Izaho no handoa aminao. Tsy milaza aminao hoe mitrosa ny tenanao amiko ianao. 20Eny, ry rahalahy, ataovy mahazo tombony ao amin’ny Tompo aho; omeo fitsaharana ny foko ao amin’i Kristy.

21Ny toky momba ny fankatoavanao, no soratako ho anao. Fantatro fa hanao mihoatra noho izay angatahako ianao. 22Mandritra izany fotoana izany ihany, omano ho ahy ny efitra fandraisam-bahiny, fa manantena aho fa amin’ny alalan’ny vavakao dia haverina aminao indray aho.

23Epafra, namako mpiara-migadra ao amin’i Jesosy Kristy, manao veloma anao. 24Toy izany koa i Marka, Aristarko, Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko. 25Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.

Copyright information for PltULB